airtel

Fandriampahalemana

29-juin-2026

Omoneria nasionaly any

amin'ny fonja Ho apetraka amin'ny

Sample post image

fombam-piangonana ireo komity mpitantana

29-juin-2026

Ny 1 jolay izao, manomboka amin'ny 9 ora sasany maraina, ao amin'ny FJKM Kristy fanantenana Antohomadinika, no ho tanterahina ny fametrahana araka ny fomban'ny fiangonana ireo komity nasionalin'ny fitantanana ny omoneria nasionalin'ny fonja, izay tarihin'ny tale nasionaliny, ny mpitandrina Nestor Razafindramanitra. Fotoana ihany koa io hangatam-pitahiana manokana ho an'ity mpitandrina eo anivon'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara ity, hoy ny fanazavana. Io andro io ihany koa no hanolorana ireo komitin'ny jobily fisotroan-drononon'izany mpitandrina izany. Ny teny ao anaty Baiboly voasoratra ao amin'ny bokin'ny Matio 25: 36b, 40 manao hoe "Tao an-tranomaizina aho dia novangianareo. Araka izay nataonareo tamin'ireto Rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko koa." moa no nalaina ho filamatr'izao fanamarihana izao, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

Mitotaly 16 tapitrisa Ariary no lasan’ireo olon-dratsy

Card image cap
03-sept-2026

Lasa ny 20 tapitrisa Ar sady naratra

Card image cap
02-sept-2026

Vita fitsirihana sy azon’ny fianankaviana nalaina ny razana

Card image cap
02-sept-2026

fiara nitondra rongony ! »

Card image cap
02-sept-2026

nalaina an-keriny, hita faty

Card image cap