airtel

Fandriampahalemana

25-août-2022

Fandriampahalemana

Polisim-pirenena Mankasitraka hatrany ireo polisy mendrika

Sample post image

Misy ireo polisy dia tena masiaka sy manampatra fahefahana mihitsy eny an-dalana eny rehefa misy mpamily tsy manara-dalàna.

25-août-2022

Mikaonty avokoa anefa ireny fihetsika ireny amin’ny ankapobeny. Mialohan’ny hanasaziana mantsy dia tokony hisy hatrany ny fanabeazana sy ny fampianarana tahaka ny nataon’ity polisy iray ity. Fiara iray tsy nanara-dalàna no nampianariny am-panajana ny lalàna tokony ho arahina ka navelany nandeha avy teo.Ny Praiminisitra lehiben'ny governementa nanao fanatajahantena maraina no nahita ny fihetsika sy fampianarana nataon'ity Polisy ity ka nanatona azy ary nankasitraka azy feno tamin'ny fomba fiasany. Notoloran'ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka mari-pankasitrahana araka izany ilay Polisy, ary nahazo fanamiana vaovao avy amin'ny Praiminisitra ihany koa izy hoentiny manatanteraka ny asany. Fihetsika mendrika alain-tahaka tahaka izany no tokony hataon’ireo polisy namana hafa rehetra fa tsy ny haka vola sy hanasazy hatrany na koa hivazavaza.
Nangonin’i Pati
Legende : Nahavita ny asany ara-dalàna ity polisy ity
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha

Card image cap
23-mai-2025

Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,

Card image cap
22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap