novambra tetsy amin'ny Minisiteran'ny filaminam-bahoaka Anosy . Moto miisa 27 niaraka tamin'ny Tonfa sy matraque miisa 197 no azon’izy ireo tamin’izany. Nanolotra izany teny an-toerana ny ambasadaoro koreana tatsimo Atoa Son Yongho ary nambarany fa ho fanamafisana sy fanampiana ny Polisy amin'ny fametrahana fandriampahalemana maharitra no antony hanomezany fitaovana toy izao. Ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka kosa no nandray ireto fitaovana vaovao ireto. Nankasitraka sy nisaotra ny firenena Koreana tatsimo ny tenany , ary tamin'izany no nilazany fa hanampy betsaka ny Polisy amin'ny fanatanterahana ny asany indrindra amin'izao ankatoky ny fety izao ireto fitaovana vaovao ireto. Ny hirarian’ny rehetra dia mba hanao ny asany tsara ireo polisy fa tsy ho variana fotsiny amin’ny fampihorohoroana ireo heveriny ho ambaniny sy ny fakana vola amin’ny taxibe.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny fitaovana omaly
Niparitaka ary niteraka adihevitra teny amin’ny tambajotran-tserasera omaly ny fisiana tovolahy iray vao nivoaka ho zandary, nanapatra fahefana sy nandrahona milaza fa hanapotika fiainana tovovavy iray tsy nanaiky azy,
Niasa mafy ny polisim-pirenena nandritra ny taona 2019 ka hatramin’ny taona 2023 no mankaty. Olon- dratsy isan-tsokajiny miisa 1.442 izany hoe no nosamborin’izy ireo ka ny 255 isa tamin’ireo no namoy ny ainy.
Fanorenana foto-drafitrasa 45 isa no natao nandritra efa-taona teo anivon’ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka. Nanomboka ny taona 2019 no nisian’izany ka hatramin’ity taona 2023 ity.
Efa saika mitsindrona roro avokoa ny ankamaroan’ireo mpanendaka ankehitriny.