raisina rehefa misy hetsika atao na an-dalambe na anaty efitrano. Izy izay nanao ilay « réquisition particulière » ho an’ny mpitandro filaminana anatin’ny Emmo-reg eo anatrehan’ny voalaza fisiana loharanom-baovao amin’ny mety hisiana fanakorontanana avy amin’ny mpanohitra na ireo mpanararaotra. Momba ny fahazoan-dàlana ara-politika, nilaza io jeneraly io fa raha eto Antananarivo, dia mitovy avokoa. Nanao ny TIM nahazo, nanao ny Pro-Siteny, ny MMM,… nahazo fahazoan-dàlana avokoa, hoy ity Jeneraly ity. Nambarany fa na ny TGV aza manao fangatahana daholo rehefa misy hetsika tahaka an’io ka nahoana no tsy homena kanefa nomena avokoa ireo teo aloha, hoy hatrany izy. Afaka hahazo ny Lapan’ny kolontsaina Mahamasina daholo ary ve izany ny kandida rehetra ary hahazo alalana raha mangataka taorian’ny an’i Andry Rajoelina omaly? Momba ny fanakanana teny amin’ny ISTS Mandrimena ny alatsinainy teo dia nilaza izy fa matoa misy ny sakana, dia ny votoatin’ilay fivoriana mihitsy no miteraka fanakanana. Mety hiteny zavatra hanakorontana saim-bahoaka ka tsy maintsy sakanana, hoy izy. Nilaza ity farany, fa tsy nahazo alalana ny fivoriana nokasaina hatao teny amin’ny ISTS Mandrimena ny 04 septambra lasa teo. Mpaminany ary ve izany ny Prefe ka hahalala mialoha izay mety ho fanambarana handeha? Raha lazaina fa fanakorontanana sy fanohintohinana ny filaminam-bahoaka na ny filaminana anatin’ny firenena nahoana no tsy misy fisamborana? Tsy efa endrika fanapenam-bava manara-penitra ve izany?
Toky R
Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha
Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,