airtel

Fandriampahalemana

25-nov-2022

Fandriampahalemana

Raharaha fitifirana ny ben’ny tanàna Tsy nisy tohiny, tsy re izay fanadihadiana

Sample post image

Ny alahady 13 novambra lasa teo ny nilazan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo tamin’ny tambazotran-tserasera, fa nisy saika hamono tamin’ny alalan’ny fitifirana. “

25-nov-2022

Amin’ny alahelo no ilazana amintsika ny zava-niseho izao maraina izao : nisy olon-dratsy nifofo ny aiko. Lehilahy 2 teo ambonin’ny scooter mainty no nanatona ka nitifitra ny fiarako raha nanao fitsidihana ny Tanàna toy ny mahazatra aho isaky ny alahady. Tsy nisy ny aina nafoy ary salama tsara aho sy ny namako niaraka tamiko. Nitsoaka moa ry zareo fa efa misokatra ny fanadihadiana”, hoy ity ben’ny tanàna ity tamin’izany. Fiara tsy mataho-dàlana tsy laitram-bala moa io, ka izay no voalaza fa tsy nahavoa ny tao anatiny, raha toa ka nisy kosa ny diam-bala. Nihazakazaka ny fanamelohana ity raharaha ity, indrindra fa amin’ireo ankolafin-kery mpiara-dia amin’ny fitondrana. Hatramin’ny Filoham-pirenena niditra an-tsehatra nanameloka izany. Maro no nieritreritra, fa betsaka no ho hifafa ny kihony ho voasarangotra tao anatin’ity raharaha ity, indrindra fa ireo tsy mifankahazo sy mifampitandroka amin’ny ben’ny tanàna. Isan’ny tranga nialohan’izao, ohatra, ny fifanaovana ampamoaka teo aminy sy ny mpandraharaha tompona orinasa fanaovan-gazety iray, ny karazana fifamaliana mivantana na ankolaka nifanaovan’ny ben’ny tanàna sy sokajin’olona samihafa toy ny mpanao politika sy mpaneho hevitra amin’ny facebook,… Maro ihany koa ny raharaha nahazoan’ny ben’ny tanàna kiana mafy toy ny fakan’ny kaominina vola 11 miliara Ar tamin’ny CNaPS, ny raharaha taratasin-ketra midangana eto amin’ny Kaominina Antananarivo,… Asa hoe: mety nisy nifandraisany tamin’ny iray tamin’ireny na zavatra hafa ve ity raharaha fitifirana ity? Tsy misy akony intsony hatreto, fa nafana am-boalohany fotsiny. Raha noheverina fa ho tahaka ilay raharaha “Apollo 21” voalaza fa fisiana fikasana hamono ny Filoham-pirenena, ka nisian’ny olona maromaro nogadraina, dia tsy izay kosa ny sary niseho tamin’ity raharaha fitifirana ny ben’ny tanàna ity. “Sinema natao hihomehezana” hoy ilay gazety iray manakiana azy fatratra. Tena zavatra noforonina natao hanodinkodinana saim-bahoaka tokoa ve ireny na koa hampiakarana ny lazan’ny ben’ny tanàna matoa tsy nisy tohiny intsony?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap