habibiana Ramidison Avonelina na Ramidy no ahalalan’ny maro azy, Mpikamban’ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy na CFM Amoron'i Mania. Tany anaty ala tao Tsarasaotra, Kaominina Ambanivohitra ao amin’ny Distrika Ambositra no nahitana ny vatana mangatsiakany. Feno ratra ny lohany sy ny tanany, raha ny tatitra avy any an-toerana, izay midika fa tsy fahafatesana voajanahary fa vono olona niniana natao. Mpikambana CFM Amoron'i Mania i Ramidy. Ankoatra ny naha mpikamban’ny CFM azy, dia Administratera sivily misotro ronono izy, Mpampianatra tao amin'ny INFA (Institut National de Formation Admnisitrative) sy ENAM (Ecole Nationale d’Administration de Madagascar) Androhibe teo aloha. Efa nitazona andraikitra maro teto amin'ny firenena sy ny Faritra Amoron'i Mania ihany. Nanokatra fanadihadiana ny Zandarimariam-pirenena hikarohana ny nahavanon-doza. Ranolava ny tsy fandriampahalemana saika manerana ny Nosy, hany ka hatramin’ny olona mpandamina fiarahamonina aza itony misy mamono amin’ny fomba feno habibiana.
Toky R
Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha
Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,