Ny taona 2018 izahay, hoy ny filoha mpanorina, Justin Rakotonirina, no niorina tao Antsirabe, araka izany anarana izany. Efa miha mielim-patrana eto Madagasikara izahay izao, hoy izy. Miisa 100 latsaka kely ankehitriny ny asa voaforona vokatry ny fisianay, tokony nihoatra lavitra an’izay raha tsy nisy ny krizy. Ankoatran’ireo sehatra tsy ara-dalana na “clandestin” sy ireo karazam-pifaninanana samihafa dia olana sedraina koa dia ny tsy fisian’ny vola miala amin’ireo “clandestin” ireo satria ry zareo tsy mandoa hetra fotsiny, ohatra. Ny anay kosa eo ny CNaPS, ny OSTIE, ny fiantohana, hetra na “patente” isan-taona, ny solika, ny fampirisihina ireo mpisehatra na “agent de sécurité” rehefa miasa tsara, ankoatran’ny karama sy ora fanampiny. Be dia be izany ny fandaniana mivoaka raha ohatra ka tsy manaraka izany ireo tsy manara-drafitra. Miantraika any amin’ny mpanjifa izay satria raha mety karamaina 100.000 Ariary, ohatra, ireo tsy manara-drafitra dia ny anay kosa 300.000 na 400.000 Ariary. Asa saropady sy manahirana nefa ilay miaro aina sy fananan’olona. Mila ampanarahana fototra sy lalana izany io mba tsy ho alaim-panahy ilay mpisehatra hoe sanatria izy indray no hanampy raha hiray tsikombakomba amin’ny mpangalatra. Ny tombony hananana ireo mpiaro tanana manara-drafitra dia noho izy ireny efa tsara fiofanana sy manana ny fari-pahaizana ary vita fanadihadiana ara-moraly mikasika izany, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Legende: Ireo mpitantana ny Bira sécurité
Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha
Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,