airtel

Fandriampahalemana

14-août-2025

RN2, TAMBAJOTRA MPANDROBA FIARA

Tafakatra 8 mianadahy ireo voasambotra

Sample post image

Tambajotra iray mpandroba fiara any amin'iny lalam-pirenena faharoa

14-août-2025

iny no ravan'ny Polisy miasa ao Moramanga. Vokatry ny hetsika haingana nataon’ny Polisy ao an-toerana taorian’ny fitarainana nataon'ny mpamily fiarabe mpitatitra entana avy any Toamasina niazo an' Antananarivo, ny alin’ny 11 Aogositra hifoha ny 12 Aogositra teo no nahatratrarana ireo jiolahy. Olona miisa 8 no tompon’antoka tamin’ny fandrobàna fiara manodidina an’i Moramanga ary mbola tanora vao herotrerony avokoa ny ankamaroany. Raha tsiahivina kely ny tantara dia olona miisa 2 no voasambotra tamin'ity raharaha ity. Ilay iray voalohany niaraka tamin’ny entana nangalarina tao anatin'io fiarabe io. Teo anelanelan’i Moramanga sy Ampasipotsy Gare no namakiany ilay fiarabe. Nandritra ny famotorana dia niaiky izy ireo fa nangalatra tokoa, ary nanoro ireo namany hafa sy ny toerana fanafenana ny entana halatra. Nosamborina avy hatrany ireo namany tamin’ity raharaha ity ka lehilahy 5 sy vehivavy 3 izy ireo no ao anatin’ity andian-jiolahy mpandroba fiara ity. Naverina tamin’ilay mpamilin'ny fiarabe ireo entana rehefa vita fanamarinana, notanana natao andri-maso kosa izy 8 mianadahy mba hanohizana ny fanadihadiana mialohan’ny hanolorana azy ireo eo anatrehan’ny fampanoavana.
Pati
Légende : Ireto ry zalahy !
 

Dans la même rubrique

22-mai-2026

Nihena iray ny jiolahy mpanao ratsy

Card image cap