airtel

Fandriampahalemana

05-déc-2023

ROALAHY NISANDOKA HO KALANORO

Voasambotra rehefa avy nisoloky volan’olona

Sample post image

Efa mitady hevitra hahazoam-bola avokoa ny olona rehetra amin’izao.

05-déc-2023

Amin’ny ankapobeny dia vokatry ny fahantrana lalina sy ny tsy fananan’asa no mahatonga izany izay efa tena mampanaotao foana ny Malagasy mihitsy. Roalahy milaza ho Kalanoro ary miantso olona amin’ny finday‚ manao feo hafahafa ary milaza ho mahay mampitombo vola no sarona tany Bealanana omaly. Marobe ireo olona efa voafitak’izy roalahy ireto no sady very vola. Mponina manodidina ny kaominina ambanivohitra Antsiradava , distrikan’i Bealanana ny ankamaroan’ireo lasibatra ka nitady hevitra namandrihana azy ireo. Ny vola fotsiny mantsy nio lany sy ritra fa ny fampanantenana hataon’izy ireo tsy misy tanteraka.Voalaza fa avy any amin’ny distrikan’Andapa izy roalahy ireto no tonga manao izao asa ratsy any Bealanana izao. Nosamborin’ny fokonolona ary nogiazana tamin’ny hazo ny tongon’izy ireo mandrapahatongavan’ny manam-pahefana omaly folakandro.
Pati
Legende : Ireo izy roalahy milaza ho Kalanoro ! Pat
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage

Card image cap