airtel

Fandriampahalemana

17-janv-2024

Sambava

Maty voakapan'ny antsy be ilay mpangalatra akoho

Sample post image

Tena efa tsy azo hivalozana intsony ny ankamaroan’ny olona amin’izao amin’ny

17-janv-2024

fiarovana ny fananany, indrindra raha mahatratra mpangalatra. Efa tena mafy loatra mantsy ny fiainana nefa ireo mpangalatra koa eo an-daniny tsy manaiky fa manao ny hataony hatrany. Ny asa hivelomany sy hamelomany ny ankohonany rahateo tsy misy. Lehilahy iray tompon’akoho monina any Bemanevika Sambava omaly tokony ho tamin’ny 02 ora maraina no nahafaty mpangalatr’akoho tamin’ny antsibe. Raha araka ny fantatra dia namoaka moramora ny akohony tao anaty saha io lehilahy novonoiny io. Nitondra antsibe ity farany nandritra izany ka tsikaritry ny tompon-trano. Raikitra ny fifanenjehana teo amin’izy roalahy ka latsaka ilay antsibe teny an-tananan’ilay mpangalatra. Iny mihitsy anefa no noraisin’ilay tompon’akoho namoana ilay mpangalatra ka maty teo noho eo ity farany. Noho ity vono olona ity moa dia notanana natao famotorana hatramin’ny omaly ilay lehilahy tompon’akoho io. Tsiahivina moa fa ankoatra ny akoho iray dia vomanga iray sobika sy mangahazo tamin’ny gony ihany koa no tranga efa namonoan’olona mpangalatra tany amin’iny lalam-pirenena fahafito iny tamin’ny taona 2023. Midoika avokoa izany rehetra izany fa efa tena faratampony ny hasorenan’ny olona amin’ny tsy fisian’ny fandriampahalemana eto amintsika. Misy amin’ireo mpanao ratsy anefa no toy ny mitsangatsangana fotsiny mandeha eny am-ponja dia miverina manao ny hataony indray.
Pati
Legende : Voatery notazonina ity tompon’akoho ity ! Ity ilay antsibe !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap