Seza izay mipetraka eo ivelan’ny espace fipetrahan’ny olona rehefa miala sasatra izy ireo.Ny marainan’ny 27 janoary teo nandritra ny fandaminana vao nahatsikaritra ireo mpiasa tao an-toerana fa tsy teo amin’ny toerany intsony ireo seza fipetrapetrahana ireo. Omaly izy ireo no hitan’ny polisy avy ao amin’ny CSP I Analakely. Seza plastique miisa 20 no navelan’ny mpangalatra tetsy amin’ny faritra Ambohijatovo. Manatanteraka ny asa fanaony andavanandro moa ny Polisy ka manodidina ny tamin’ny 03 ora sy 39mn maraina no nahitany izany, nandritra ny fisafoana natao teny amin’ny faritra Mandrosoa Ambohijatovo akaikin'ny fiangonana advantista. Nahatsikaritra olona nitondra zavatra lavalava izy ireo. Navelan’izy ireo ilay zavatra noentiny raha vao nahita ireo Polisy lavitra izy ireo ary nitsoaka. Seza miisa 20, akoho amam-borona 02 ary tuyau plastika mihorongorona izy ireo.Noentina eny amin’ny biraon‘ny Polisy CSP1 avy hatrany ireo entana ireo ary nitety sy nampandre ny fokontany rehetra tao amin’ny fari-piadidiany ny Polisy. Tsy nisy tratra moa ireo mpangalatra fa ny entana kosa no tafaverina soa aman-tsara.
Nangonin’i Pati
Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha
Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,