airtel

Fandriampahalemana

22-mars-2022

Fandriampahalemana

Soavinandriana Itasy Efa tongan’ny jiolahy mitondra antsy ihany koa

Sample post image

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tao amin’ny tsenan’i Soavinandriana afak’omaly tokony ho tamin’ny 05 ora sy sasany hariva.

22-mars-2022

 Vehivavy iray niantsena no narahina jiolahy miisa 2 ka nosakanany. Ny iray nanambana antsy ilay vehivavy raha nanendaka izay zavatra rehetra teny amin’ilay vehivavy kosa ny iray. Rehefa azon’ireo jiolahy ny zavatra notadiaviny dia nirifatra nitsoaka izy ireo. Niezaka niantso vonjy ilay niaram-boina nandritra izany ka polisy nanao ny asany teo amin’ny « Barrage de securité » teo Antranoroa no naheno izany ka dia namonjy ny toerana nitrangan’ny fanendahana. Rehefa nifanena tamin’ireto Polisy ireo jiolahy dia nariany avy hatrany ilay fitaovam-piadiana teny aminy. Tratra moa ireto farany ka rehefa nosavaina dia mbola hita teny amin’izy ireo ny vola mitentina 800.000 Ar vao avy nendahiny teny amin’ilay vehivavy. Naverina tamin’ilay tompony ilay vola araka izany. Izy roa lahy kosa nentina natao fanadihadiana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy jiolahy nanafika tao amin’ny tsena tao Soavinandriana
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap