airtel

Fandriampahalemana

25-nov-2024

Talata Volonondry

Lehilahy iray tratra niaraka tamin’ny omby iray manontolo efa voatetika

Sample post image

Lasa lalan’ireo mpangalatr’omby ny ao Talata Volonondry, distrikan’Avaradrano amin’izao.

25-nov-2024

Nanamafy ny fisafoana araka izany ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena any an-toerana ka lehilahy iray ny 22 novambra 2024 teo no tratra niaraka tamin’ny omby efa voatetika iray manontolo tokony ho tamin’ny 02 ora maraina. Tao amin’ny kaominina Ambohibao, distrikan’i Manjakandriana no nahatrarana azy io. Fantatra nandritra ny famotorana natao fa omby vavy reniny nangalarina avy any Amboavahy, Fokontany Analamanjaka, Kaominina Ambohitrolomahitsy ity efa novonoina ity. Tsy nety nilaza ny namany niara-nanao ny halatra omby taminy hatramin'ny farany kosa ilay ranamana fa nilaza ho iraka fotsiny ka naleony nigadra eny Antanimora. Ny hany nambarany dia ny saika hanaterany ny hena teny Andravoahangy.
Pati 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha

Card image cap
23-mai-2025

Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,

Card image cap
22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap