Efa roa volana izay no nampitondrainy faisana ireto farany. Raha tsiahivina kely dia nahazoana fitarainana sy fitoriana maro ity tambajotran-dRafela ity saingy izao vao nifanehatra tamin’ny zandary.Fianakaviana iray tao Ampanotokana indray no nipenimpenina afak’omaly 23 septambra fa lasan’ny mpamaky trano avokoa ireo fitaovana ilaina amin’ny fambolena , ny biby fiompy ary ny fitaovam-pitaterana toy ny bisikikelta …. Taorian’ny fitoriana voarain’ny zandary dia natao ny fizahana ny tranga sy ny fanadihadiana. Voasambotra taorian’izany ny lehilahy voalohany niaraka tamin’ireo ampahan’entana very. Nanondro ny namany ity farany taorian’izany ary mbola tratra ihany koa ireo entana halatra tany aminy. Tsy nijanona teo fa mbola nisy lehilahy iray fanin-telony, izay atidohan’ity famakiana trano ety Ampanotokana sy ny manodidina ity, notondroin’ny namany ihany dia i Rafela izany. Nikasa hamely sy hanohitra ireo zandary izy nandritra ny fisamborana ka voatifitra ary lavo tsy afaka hanohy ny asa ratsiny intsony.
Pati
Legende : Tapitra ny 99 andron-dRafela tety an-tany !
Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha
Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,