Voalaza fa mbola tsy ampy io raha ny filàna izany ho an’i Madagasikara. « Mbola tokony hampitomboina avo folo heny io isa io raha oharina amin'ny filan'ny firenena », hoy ny minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr'andro, Ramonjavelo Valéry. Amin'ny maha nosy an'i Madagasikara, tena ilaina ny fampiofanana sy fitrandrahana ny asa an-dranomasina sy an-dranomamy. Rah any antontan’isa hatrany asa 2 734 no niforona vokatry ny fisian'ity sekoly ENEM ity teo anelanelan’ny 2009-2023. Nisy ny atrikasa isan-karazana izay natrehin’ny Minisitry ny jono sy ny toekarena Mahatante Paubert ny faran’ny herinandro teo tany amin’ity sekoly ity. Nandritra izany ihany koa no niresahana fanamboarana ny "piscine semi-olympique". Hojerena akaiky, hoy ny minisitra, ny fanatsarana ny rafitra sy fanapariahana ny sekoly manerana ny Nosy. Eo koa ny fiaraha-miasa amin'ny sehatra samihafa. Ho an'ny sehatry ny Jono, ny ENEM no nanofana ny mpanara-maso ny jono 20 mianadahy. Notsiahivina fa tany amin'ny taona 1962 no niorenan'ny ENEM tao Mahajanga, faritra Boeny, izay sekoly tokana mampiofana olona ho matihanina amin'ny asa amin'ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy. Tsara ny manamarika fa mahatratra 500 miliara dolara ny tsenan’ny hazan-dranomasina maneran-tany. Isan’ny manana ranomasina mivelatra indrindra aty Afrika I Madagasikara ka raha ny 1 isan-taton’io fotsiny dia efa 5 miliara dolara, avo telo heny amin’ny vola hampiodinana any Madagasikara isan-taona. Mba tena omentsika lanja ve ny harena an-dranomasintsika mba ho lasa fanohitra ara-toekarana? Tena mifandraika amin’ireny ve ny fampianarana eto Madagasikara?
Toky R
Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha
Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,