airtel

Fandriampahalemana

17-janv-2023

Fandriampahalemana

Toamasina Maty voatifitry ny polisy i Rasihanaka sy ny ekipany

Sample post image

Tapitra ny 99 andron-dRasihanaka sy ireo namany telolahy. Maty voatifitry ny FIP sy ny UIR omaly Rasihanaka sy ireo namany 3 lahy.

17-janv-2023

Efa ela no nampahalaza ilay ranamana io tany Toamasina amin'ny resaka fanafihana mitam-piadiana, raha tsiahivina. Mahavanon-doza mihitsy izy mandritra izany na dia hanafahany ain’olona aza. Raha araka ny fantatra dia efa nampitondra faisana mponina tao Vohidiala Ambatondrazaka ny anaolahy. Nataony tao anaty rano mandevy ny zanaky ny tompon-trano iray notafihiny rehefa tsy nety nanome vola azy. Mbola nodorany velona tao an-tranony ihany koa ireo olona 3 mianaka nandritra izany ary tsy nananany hantra mihitsy. Tao amin’ny kirihitr'ala Adema Ambalamanasy moa no nahatraran’ny FIP sy ny UIR azy telolahy ireto. Tsy mipetraka any an-trano intsony mantsy izy ireo fa miafina any anaty ala ho fiarovany ny ainy.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap