airtel

Fandriampahalemana

29-juin-2026

TOAMASINA

Zaza vao afaka CEPE maty notifirin'ny jiolahy

Sample post image

Tsy milamina ny fandriampahalemana

29-juin-2026

ao Toamasina ao. Zazavavy kely vao 12 taona monja no maty notifirin'ny jiolahy teo amin'ny lohany afak'omaly Sabotsy 27 Jona alina tokony ho tamin'ny 7 ora sy sasany tao Mangarivotra ambadiky ny Stadium. Jiolahy miisa 2 tsy nisaron-tava no fantatra fa niditra ny trano nitondra basy no sady niteny hoe : avoahy vola. Tsy manam-bola izahay hoy ny fianakavian'io zazavavy kely io. Izahay olona sahirana. Tezitra vokatr'izany ireo jiolahy ka notifirin'izy ireo teo amin'ny lohany ilay zazavavy 12 taona zanaky ny voatafika. Nentina tany amin'ny hopitaly moa fa tsy tana ny ain'ilay tsy manan-tsiny. Soaline moa no anaran'io zazavavy kely io. Vao avy nanala fanadinana CEPE farany Itompokovavy kely. Ahiana hisy fiantraikany goavana amin'ny fizahantany anatiny ao Toamasina izao tsy fandriampahalemana any an-toerana izao. Na ireo mpiala sasatra aza mety hihemotra hitady toeran-kafa raha tsy misy ny fepetra raisin'ny tompon'andraikitra. Hatramin'ny fianakaviana sahirana aza lasibatra koa mainka moa fa ireo fianakaviana vahiny mba hamokam-bolakely hanaovana vakansy any an-toerana ? Tena mila vonjy Toamasina.
Nangonin'i Pati

Légende : Ilay zaza namoy ny ainy !
 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

Mitotaly 16 tapitrisa Ariary no lasan’ireo olon-dratsy

Card image cap
03-sept-2026

Lasa ny 20 tapitrisa Ar sady naratra

Card image cap
02-sept-2026

Vita fitsirihana sy azon’ny fianankaviana nalaina ny razana

Card image cap
02-sept-2026

fiara nitondra rongony ! »

Card image cap
02-sept-2026

nalaina an-keriny, hita faty

Card image cap