airtel

Fandriampahalemana

11-mars-2022

Fandriampahalemana

Toliara Maty voatifitra ilay jiolahy efa nokarohina fatratra

Sample post image

Jiolahy iray, 28 taona, efa nokarohin’ny Polisy fatratra no lavon’ny Balan’ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny Commissariat Central ao Toliara afak’omaly alarobia 09 martsa.

11-mars-2022

 Raha tsiahivina dia mihamaro hatrany ny fanafihana mitam-basy miseho ao Toliara tato ho ato ka nisy ireo andian-jiolahy efa voasambotra ary efa tafiditra am-ponja ankehitriny. Tsy mijanona anefa ny fikarohana ireo naman’izy ireo sy mpiray tsikombakomba aminy fa mitohy hatrany ny fikarohana. Afak’omaly Alarobia tokony ho tamin’ny 10 ora sasany alina ary dia nahazo vaovao ny Polisy mikasika ny fisiana jiolahy iray efa karohina mafy mihaodihaody eny amin’ny manodidina ny hotely “Amazone d’Amorondriake”. Tonga teny an-toerana avy hatrany arak’izany ny Polisy hisambotra azy saingy noho ny fanoherany dia voatery nitifitra ny Polisy. Maty noho ny ratra nahazo azy ity olon-dratsy ity. Marihina fa ankoatra ny maha olon-dratsy mpanao fanafihana mitam-piadiana zy dia tompon’antoka tamina fanafihana maro izy , no sady mbola mpamerin-keloka ihany koa satria dia efa nifonja noho ny resaka halatra sy fanafihana mitam-piadiana ihany koa.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana efa namoy ny ainy
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap