airtel

Fandriampahalemana

14-mai-2024

Tovolahy 26 taona maty voatifitra teo amin’ny fony

Sakoroka be teny Ambohibao, mifamahofaho ny raharaha

Sample post image

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

14-mai-2024

Miadampaonina Ambohibao Antehiroka, distrikan’Ambohidratrimo afak’omaly Alahady 12 May tokony ho tamin’ny 04 ora hariva . Raha ny vaovao farany nandeha teny an-toerana mantsy dia voalaza fa tany an-tokontany nilalao daomy niaraka tamin’ny mpiasany indray ilay Sinoa nandritra ny fotoana nitrangan’ny loza. Ilay vehivavy vadin’ity farany no nambarany fa nahakitika tsy nahy ilay basy ka nahafaty ny anadahiny. Tezitra noho ny famoahana ilay Sinoa ny vahoaka ka nandroba ny trano fonenan’ilay Sinoa izay fantatra fa mpanamboatra fanaka vita amin’ny melamine. Raha tsiahivina kely ny tantara dia Renim-pianakaviana iray ihany koa no nahitana ratra miisa 14 ny vatana raha nijery ny zava-misy teny an-toerana vokatry ny fipitihan’ny grenady nalefan’ny mpitandro ny filaminana. Zazamena vava iray ihany koa no nambarany fa sempotra rehefa nandeha ny baomba mandatsa-dranomaso nanaparitahana ireo fokonolona. Tsy niandry ela mantsy ireto farany fa saika hanao fitsaram-bahoaka raha nahita ilay tovolahy nentina niverina avy any amin’ny hopitaly efa tsy nisy fofon’aina intsony no sady tsy nisy mpanaraka. Andrasana araka izany izay hivoahan’ny tena marina mikasika ity raharaha ity izay miankina amin’ny fahendren’ny mpitandro ny filaminana be dia be tokoa.
Pati
Legende : Tahaka izao ny hamaroan’ny olona teny akaikin’ny tranon’ilay teratany Sinoa !
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha

Card image cap
23-mai-2025

Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,

Card image cap
22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap