Tovolahy iray voalaza ho mamon-drongony no fatratra fa nahavita nanindron'antsy ny Renikeliny ny faran'ny herinandro teo tany Brickaville. Tsy vitan'izay hoy ny vaovao azo fa mbola norobain'ilay zana-bady ity ihany koa ny vola sy volamena tao an-tranon'ilay Renikeliny rehefa hitany fa tsy nisy aina intsony ity farany.Raha ny filazan'ny fianakavian'ny niharam-boina sy ny fiaraha-monina dia tsy vao izao ilay tovolahy no manao teny mahery sy herisetra tamin'io Renikeliny io. Anisan'izany ny fandrahonana ny hamono ho faty an-dRatompokovavy isaky ny mandray zava-mahadomelina ny anaolahy. Nitsoaka moa ilay nahavanon-doza ka efa eo am-pikarohana azy fatratra ny zandary any an.toerana hatramin'ny omaly Alatsinainy. Manamarika hatrany ity tranga tao Brickaville ity hatrany moa fa tena miteraka fikorontanana sy zava-doza miharo vono olona eny anivon'ny fiaraha-monina misy antsika mihitsy ny fiparitahan'ny zava-mahadomelina ka tokony handraisana fepetra hentitra. Nangonin'i Pati
Légende : Nandritra ny fotoana nijeren'ny mpitandro ny filaminana ny razana !