airtel

Fandriampahalemana

17-juin-2022

Fandriampahalemana

Trangana fakana an-keriny Fitarainana 10 no voarain’ny polisy tao anatin’ny tapa-bolana

Sample post image

Maro ireo trangana fakàna an-keriny hita sy nanaovan’ny « Cellule Opérationnelle » fanadihadiana nanomboka ny faramparan’ny volana mey no mankàty.

17-juin-2022

Miisa 10 ireo trangana fakàna an-keriny niseho voarain’ny Polisim-pirenena nanomboka ny 30 May lasa teo ka hatramin’ny afak’omaly 14 jona. 15 ka hatramin’ny 37 ny salan-taonan’ireo very. Faritra maro no nitrangan’izany. Miisa 13 kosa ireo fikasana hanao fakàna an-keriny (tentatives d’enlèvements) izay niseho. 14 ka hatramin’ny 29 ny salantaonan’ireo niharan’izany. Taorian’ny fanadihadiana sy fikarohana dia fantatra fa manararaotra ilay tranga miseho ny ankamaroan’ny olona sy ireo ankizy sasany. Miisa 09 noho izany ireo ankizy na olona mandositra miala ny toeram-ponenany ka milafika any amin’ny namany na ny sakaizany (Fugue). 04 tafiditra ao anatin’ny fanodinkodinana zaza tsy ampy taona (Détournement de mineur) toy ny nitranga tetsy Nanisana Antananarivo. Miisa 04 ny fandikàn-dalàna nataona zatovo na ditran-jatovo voaray (Délinquance juvénile). Ny iray kosa famonoana olona (assassinat) toy ny niseho tany amin’ny faritra Anjiro lalam-pirenena faharoa.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap