airtel

Fandriampahalemana

06-févr-2023

Fandriampahalemana

Tranomboky ho an’ny fandriampahalemana Nandray anjara koa ny mompera Pedro

Sample post image

Nanomboka tamin’ny tapaky ny volana janoary teo no nanavao ny trano sy ny efitrano fianarana ny ekipan’ny HWPL

06-févr-2023

mba hanomanana ny tranomboky fahaefatra ho an’ny Fandriampahalemana izay hita ao amin’ny EPP Soanierana I, hoy ity rafitra iraisampirenena miady ho an’ny fandriampahalemana ity teny an-toerana ny sabotsy teo. Ho fanatsarana sy ho fanomezana fahafahana ireo mpianatra hahazo boky sy fampianarana manara-penitra dia nivondrona ireo mpilatsaka an-tsitrapo sy fikambanana hafa ho fanamboarana ny efitrano famakiam-boky hanatanterahana ireo asa tena ilaina nialoha ny lanonana fitokanana natao ny sabotsy 4 febroary 2023, izay nanasana olo-manan-kaja maro samihafa, hoy izy ireo. Nandray anjara tamin’ny fanomezana boky miisa 150 moa ny mompera Pedro ary nisy ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka hafa. Tohin’ny tetikasa “HWPL Peace Library” ity hetsika ity, izay ahitana ny fanabeazana ny ankizy avy amin’ny vondrom-piarahamonina sahirana sy ny mpianatry ny sekoly fanabeazana fototra mba hambolena ao anatiny ny toe-tsaina tsara sy ny fitiavana ny fandriampahalemana ary ny fanohanana azy ireo amin’ny alalan’ny lalao fanabeazana isan-karazany, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-déc-2023

Nahonena ny nahita an'ireo Ray aman-dRenin'ilay zazalahikely vao herin-taona

Card image cap
06-déc-2023

Mihoatra ny 10 hatreto ireo jiro manazava ny lalambe nisy nangalatra

Card image cap
05-déc-2023

Efa mitady hevitra hahazoam-bola avokoa ny olona rehetra amin’izao.

Card image cap
05-déc-2023

Tsy milamina ny ao Manja, ambanivohitr’i Morondava, 190 km atsimon'i Morondava,

Card image cap
05-déc-2023

Lehilahy iray 38 taona no tra-tehaka nanararaotra namaky fiaran'olona teo an-tokontanim-piangonana

Card image cap
05-déc-2023

Nirefotra ny basy omaly 4 desambra tokony ho tamin’ny 8ora sy sasany maraina tetsy Namontana,

Card image cap