airtel

Fandriampahalemana

22-juil-2022

Fandriampahalemana

Tsenan'Anosibe Mpitaon'entana nanodina vary 1gony sy nangalatra sarety

Sample post image

Lehilahy miisa roa no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP5 Mahamasina teny amin’ny tsenan’Anosibe ny 20 jolay teo.

22-juil-2022

Tokony ho tamin’ny 01 ora tolakandro no voasambotra izy, lehilahy manodidina ny 25 taona, rehefa tratra teny aminy ny sarety taritin-tanana iray izay fantatra fa very tamin'ny Alahady teo. Nanomboka ny fikarohana avy hatrany ny Polisy rehefa nametraka fitoriana mahakasika io fahaverezana sarety io ny tompony. Tamin’io afak'omaly alarobia io araka izany no hita tao amin’ny tsenan’Anosibe ilay sarety ary lehilahy iray mpitaon’entana ao ihany no naka ilay sarety. Tokony ho tamin’ny 04 ora tolakandro kosa no voasambotra ny lehilahy faharoa, 33 taona. Mpitaona entana ihany koa ity lehilahy ity. Tamin’io fotoana io dia vary iray gony, izay nasaina notaominy no nentiny naviliny lalana ka nafeniny. Manoloana izany fahaverezan’entana izany dia niantso Polisy ilay tompony. Nokarohana avy hatrany ilay lehilahy ka hita afaka fotoana fohy. Izy ihany avy eo no nanondro ny toerana nanafenany ilay vary 01 gony. Samy nentina nanaovana fanadihadiana eo anivon’ny CSP5 Mahamasina ireto roalahy voasambotra ireto.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap