teo tany amin'ny kaominin'i Tsiningia, distrikan'i Boriziny, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Niantomboka tany amina aditany ny tantara, hoy ny fanazavana. Nisy olona ao Ambarimanjevo niady tany ary voalaza fa nigadra mihitsy ny iray. Rehefa izay, nanakarama lehilahy miisa 3 izy hamaly faty an'ilay miady aminy, hoy ny loharanom-baovao. Ny 17 jona dia nisy nahita tonga teo an-tanàna ireo 3 lahy hamono ilay olona izay renim-pianakaviana. Nokapain'izy ireo tamin'ny famaky ary matiny. Nandositra izy 3 lahy taorian'izay. Izy ireo moa tsy manana fonenana mazava fa mifindrafindra mamboly katsaka any anaty ala. Ny alakamisy teo, mbola nandroba olona nitondra "radio carte", na ireny fihainoana hira fitondra mandehandeha ireny, indray izy ireo. Tezitra ny fokonolona ka nisambotra. Tratra ny 2, raha tafatsoaka ny 1. Nodoran'ny olona teny akaikin'ny CEG ireo voasambotra. Efa may be sy tsy nisy aina izy 2 lahy tamin'ny fotoana nahatongavan'ny polisy sy zandary, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Maty nodoran’ny olona izy roalahy.
J. Mirija
Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha
Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,