Manakaiky ny mpamily mihitsy io voatoraka atody io raha araka ny vaovao azo. Soa ihany anefa fa tsy nikitika essuie glace ilay mpamily fa niezaka ny nandeha moramora fotsiny saingy tsy nijanona ihany koa. Raha araka ny fanadihadiana natao moa dia betsaka ireo mpamily efa tratran'izao. Anisan'ny tena mampitaraina ny maro ny eny amin'ny digy miazo an'Anosipatrana izay hendahin'ireo jiolahy avy hatrany izay fiara tratrany no sady robainy sy vonoiny ihany koa ireo olona ao anatiny. Avy hatrany dia manjavona , tsy ahitana na inona na inona intsony mantsy ny parebrisen'ny fiara raha vantany vao tratran'ny atody indrindra raha mampiasa essuie glace koa dia tsy mantsy mijanona. Ny fanontaniana hafa izao dia ny hoe ; nividy atody ve izany ireo jiolahy, sa efa atody avy nangalarina koa no atoraka amin’ny fiara mandalo ? Tsy kely lalana marina ny ratsy.
Pâti
Légende : Tahaka izao ny nanjo ilay fiarakely nandalo teny Itaosy
Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha
Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,