Rakotra asan-dahalo sy fanafihan-jiolahy saika manerany ny Nosy. Tranga roa goavana no isan'ny niseho tato anatin'ny herinandro. Voalohany ilay tany Mangabe Sahananto any Toamasina II vao andro vitsy, nahafatesana olona 1 sy nisiana takalon'aina 6 izay efa votsotra moa. Voalaza fa mety misy ifandraisany amin'ireo mpaka an-keriny tao amin'ny distrikan'Ambatondrazaka satria nitsoaka nanatona an'io ireo olon-dratsy. Asa nanao ahoana tokoa moa no tohin'ny fikarohana ireo voarohirohy ho mpaka an-keriny tany Alaotra izay hatramin'ny assistant parlementaire no voarohirohy sy nifampitadiavana. Efa tratra avokoa ve Ny tany amin'ny ilany Atsinanana izay fa ny any Atsimo, dia nisehoana halatra omby marobe ihany koa tany Bekily-Beraketa omaly maraina. Omby 56 be izao no indray lasan'ny dahalo. Zandary roa voatifitry nandritra ny fanarahan- dia. Ny iray tamin'ireo zandary namoy ny ainy, ary ny iray maratra mafy. Henjana ny tsy fandriampahalemana saika manerana ny Nosy, ary tena mihatra aman'aina. Taratry ny tsy fitonian'ny Firenena, endrika isehoan'ny fahantrana sy fitotonganan'ny toekarena, endriky ny tsy fahaiza-mitantana,...
Toky R
Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha
Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,