airtel

Fandriampahalemana

02-août-2023

Fandriampahalemana

Vahoaka nirohotra teny amin’ny fonja Nirefodrefotra ny basy tao Ambatondrazaka alina

Sample post image

Nirefodrefotra ny poa-basy tao amin’ny Renivohitry ny faritra Alaotra Mangoro omaly efa madiva ho alina. Nanao be

02-août-2023

fiavy nirohotra nakany amin’ny fonjaben’Ambatondrazaka, ka nitokona tao an-toerana mantsy ireo vahoaka avy any Mangalaza. Antony ny fitakian’izy ireo ny hamoahamana ny namany, izay notanana am-ponja, voarohirohy tamin’ny raharaha fitsaram-bahoaka, nitranga tany amin’ny herintaona lasa tany ho any. Olona an'arivony avy ao Mangalaza no niantrana manoloana ny fonja, mitaky ny hamohahana ny naman'izy ireo izay notazomin'ny fitsarana, hoy ny tatitra vonjimaika. Voatery nanapoaka basy nentina nanapariahana ireo mpioko ny tao amin’ny fonja. Voalaza fa misy amin’ireo notanana moa no tangalamena na olobe tao an-tànana, ka isan’ny tsy nahafaly ireo vahoaka ankilany. Tsara ny mampahatsiahy, fa anisan’ny faritra mena ny fonja, ary tena saropady, ary azo sokajiana ho fikomiana amin’ny fahefam-panjakana ny tahaka izao amin’ny lafiny iray. Matoa ihany koa anefa tonga amin’izao ny fihetsiky ny vahoaka, dia mety mahatsapa zavatra tsy ara-drariny. Andrasana ny tohiny sy ny akony, fa somary hafahafa ihany itony endri-javatra miseho itony, izay toa manamafy fa mikorontana ny firenena. Ny fonjan’I Mananjary vaky, ny tany Ambatondrazaka tafihin’ny andiam-bahoaka,… Fifandrifian-javatra sa ilay fitoniana sy fandriampahalemana eto amin’ny firenena mihitsy no efa tsy voafehy intsony?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha

Card image cap
23-mai-2025

Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,

Card image cap
22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap