Nisy fifanolanana teo amin’izy ireo satria voalaza fa efa nisy raharaha fitoriana tany amin'ny tribonalin'i Tolagnaro. Nentin'izy ireo nihazo ny tananan'i Belintsaka kosa ilay lehilahy, ary rehefa niantso an'io “assistant parlementaire” io ny lehiben'ny distrika dia nilaza ny tenany fa entiny hanao taratasy mikasika ny fitoriana nataony no nakan'izy ireo azy, hoy ny fitantarana notaterin’ny fampahalalam-baovao iray omaly. Noho ny antso voarain’ny zandary, raikitra ny ny fidinana ifotony sy fanarahan-dia, ka raha vantanyy vao tonga tao an-toerana ireo zandary no nifanojo tamin’ireo 5 lahy nilanja basim-borona izay nitazona ilay lehilahy voalaza fa notananana an-keriny, hoy hatrany ny fitantarana. "Namahana basy izy ireo ary efa nikasa hamono ilay nalaina an-keriny sy hitifitra ny zandary, ka voatery nitifitra ny zandary ho fiarovan-tenany sy hamonjena ilay lehilahy" hoy hatrany ny tatitry ny vaovao. Maty voatifitra vokatr'izay ny roalahy ka ilay “assistant parlementaire” ny iray. Ny namany telo kosa dia voalaza fa tafaporitsaka nitsoaka niaraka tamin'ny basy teny aminy ka mbola karohina. Mbola notazonin'ny zandary kosa, raha ny vaovao azon’ny gazety Basy ilay lehilahy nalaina sy notazonin'ireo an- keriny sy ny vadiny. Raha ny fanazavana voaray avy any an- toerana dia efa mampikaikaika ny ankamaroan'ny mponina ao Amboasary Atsimo io assistant parlementaire io noho ny fanaraotam-pahefana sy firaisana tsikombakomba amin' ireo olon-dratsy nataony, izay ambaran'izy ireo fa miteraka ny tsy fandriampahalemana eo an-tampon-tanàna Amboasary Atsimo tato ho ato, hoy ny fitantarana. Andrasana izay mety ho fanampim-panazavana!
Mikasika ilay raharaha kidnapping any amin’n Faritra Alaotra kosa, misy ny hetsika faobe, nanetsehana ny mpitandro filaminana marobe, ary mihatra ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina ao Ambatondrazaka. Mandeha ny fikarohana ireo heverina fa naka an-keriny olona 3 mianaka sy ireo izay mbola tsy hita nanomboka ny 24 febroary, ary voalaza fa mitaky 200 tapitrisa Ar ireo mpaka an-keriny.
Toky R
Niparitaka ary niteraka adihevitra teny amin’ny tambajotran-tserasera omaly ny fisiana tovolahy iray vao nivoaka ho zandary, nanapatra fahefana sy nandrahona milaza fa hanapotika fiainana tovovavy iray tsy nanaiky azy,
Niasa mafy ny polisim-pirenena nandritra ny taona 2019 ka hatramin’ny taona 2023 no mankaty. Olon- dratsy isan-tsokajiny miisa 1.442 izany hoe no nosamborin’izy ireo ka ny 255 isa tamin’ireo no namoy ny ainy.
Fanorenana foto-drafitrasa 45 isa no natao nandritra efa-taona teo anivon’ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka. Nanomboka ny taona 2019 no nisian’izany ka hatramin’ity taona 2023 ity.
Efa saika mitsindrona roro avokoa ny ankamaroan’ireo mpanendaka ankehitriny.