airtel

Fandriampahalemana

14-févr-2023

Fandriampahalemana

Vokatry ny tsy fananan’asa Mirongatra ny halatra voamaso sy taova ao Toliara II

Sample post image

Tsy an’asa ny 90%-n’ireo tanora ao anatin’ny distrikan’i Toliara II. Lasa manaotao foana avokoa ny ankamaroan’izy ireo vokatr’izany,

14-févr-2023

antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana any an-toerana. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia tsy mijanona amin’ny halatra madinika intsony izany fa efa miroso amin’ireo asa ratsy tsy fahita hatramin’izay ireo tanora ireo toy ny halatra voamaso sy ny halatra taova. Am-polony ireo efa lasibatra hatreto ka anisan’ireny ny vehivavy nalana taova sy ireo ankizikely nalana voamaso. Manjaka ihany koa ny vaky fasana sy ny halatr’omby hoy hatrany ny vaovao. Miantso ny fitondram-panjakana araka izany ny kolonely misotro ronono Rabearilaza Jean manoloana izany toe-draharaha mampalahelo an-toerana izany. Hangatahany araka izany hanokafana indray ny orinasa Base Toliara, izay hanome asa mivantana ho an’ny mponina. Hangatahiny ihany koa ny hijerena akaiky ny fanatsarana ny fambolena sy ny fiompian’ny mponina ialana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere izay mahazo ny ankamaroan’ny mponina amin’izao fotoana indrindra fa ireo ankizy latsaky ny 5 taona.
Pati
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha

Card image cap
23-mai-2025

Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,

Card image cap
22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap