airtel

Fandriampahalemana

21-mars-2023

Fandriampahalemana

Vola famangiana manjo notsiriritin’ny jiolahy Olona roa voatsindron’antsy, iray namoy ny ainy

Sample post image

Tsy hita intsony izay hanazavana ny endrika hisehoan’ny tsy fandriampahalemana eto amintsika ankehitriny.

21-mars-2023

Ankoatra ny hala-botry sy ny vaky trano dia efa miditra an-keriny any amin’ireo tokantrano misy fahoriana ihany koa ny jiolahy amin’izao indrindra fa ireo mpanam-bola mba handraofany ny fao-dranomaso anaty valopy aterin’ireo mpamamgy. Omaly hariva tokony ho tamin’ny 05 ora dia tokantrano iray no lasibatr’izany tao amin’ny Fokontany Ianjanina ambonin' i Tambohomandrevo ao an-tampon-tananan’i Fianarantsoa. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia mody niditra toy ny mpamangy fahoriana rehetra izy ireo. Raha vantany vao tafiditra anefa ireto farany dia nanambana antsy ny tompo-manjo hoy hatrany ny vaovao ka ny sasany nandroaka ny vola tao anatin’ny toerana nametrahana izany raha niady tamin’ireo tompo-manjo ny sasany. Vokany, olona roa naratra mafy voatsindron’antsy ka ny iray namoy ny ainy nanaraka ilay efa maty. Fianakaviana ity farany raha araka ny fantatra. Roa tamin’ireo jiolahy mpanafika ihany koa no voalazafa maty raha tafaporitsaka ny ambiny izay nahatratra dimy teo ho eo. Efa nampandre ny mpitandro ny filaminana moa ny tompo-manjo hahafahana miaro ny ain’izy ireo.
Pati
Legende : Nolanjaina tahaka izao hamonjy ny hopitaly ilay olona iray tao anatin’ny fianakaviana voatsindron’antsy
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage

Card image cap