airtel

Fandriampahalemana

27-déc-2024

Vola sandoka saika haparitaka

16 tapitrisa Ar saika haparitaka tany Amoron’i Mania

Sample post image

Fotoana fanararaotan’ireo mpanao afera maloto goavana ny vanim-potoanan’ny krismasy sy faran’ny taona,

27-déc-2024

ka isan’ny malaza ankehitriny ny trafikana sokatra nahasaringotra depiote am-perin’asa, ny trafikana volamena goavana,… Dia io ihany koa fa ao anatin’ny fotoana mahavariana ny olona amin’ny fiatrehana ny fety no mandeha ny ketrika vola sandoka. Sarona tany Amoron’i Mania omaly 26 desambra 2024 ny Vola sandoka mitotaly Roa alina sy efatra hetsy sy enina ambiny folo tapitrisa ariary (16.420.000 Ariary) niaraka tamin'ireo fitaovana vitsivitsy. Zaza nanao an-kiafina niditra tao amin’ny trano iray no nahita ka niantso ireo olobe teo an-tanana. Vao nahazo antso ny Kaomandin'ny Tobim-paritry ny Zandarimaria dia nidina teny ifotony. Tsy tao an-toerana ny tompon-trano fa fantatra kosa ny misy azy ary dia voatery notazomina hanaovana ny fanadihadiana rehefa nalaina tany amin'izay nisy azy. Nogiazana ihany koa ireo vola sandoka. Teo no sarona ireo vola sandoka maro be, vola natao dika mitovy na « photocopie » ary natao tamin’ny « papier vélin », raha ny tatitra. Mitandrema isika amin'ireto laharam-bola ireto: 10.000ar numero : B73004330 -D338807128 - D15648436. 20.000ar numero : B54112313 - E49707336 - E52178603, hoy ny toromariky ny mpitandro filaminana avy amin’ny Groupement GN Amoron'i Mania.
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

ho mpandray ny fanasan'i Tompo

Card image cap
05-juin-2026

sady novonoin'ny sipany

Card image cap
04-juin-2026

Efa ho 80 ny tranga, 30 mahery maty tamin’ny fomba feno habibiana

Card image cap
04-juin-2026

Paikady hataon'ny sasany tsy hahamari-toerana ny fanjakana io

Card image cap