tsikelikely ny volan'ny mpampiasa azy 93 tapitrisa Ar tao anatin'ny finday. Omaly Talata 03 Jjona no voasambotra teny Ivato ilay ranamana ity. Noho ny fifampitokisana efa nipetraka dia hirahin’ny mpampiasa azy maka vola amin’ny finday ity lehilahy ity ka amin’izay fotoana izay no hanararaotany hamindràny ny vola mankao amin’ny findainy, raha tsiahivina ny tantara. Efa nanomboka ny volana janoary 2025 izy no nanao izany saingy tsikaritr’ilay mpampiasa ihany ny fahambangàna tao amin’ny kaonty.Tamin’ny fanadihadiana natao azy no nahazoana ny porofo fa laniny tamin’ny loka ireo vola ireo ary niaiky izany ny tenany. « Carte SIM » telo samihafa no nampiasain’ity lehilahy ity nanaovana izany. Tanana hatao andri-maso sy hanaovana fanadihiadiana eo anivon’ny biraon’ny Polisy ity lehilahy ity mialohan’ny hanolorana azy eo amin’ny fampanoavana.
Pati
Légende : Any am-ponja no mety hanohizan'ity tovolahy ity ny fiainany !
Noho ny fitarainana matetika azon’ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny
Taorian’ny fanadihadiana lalina sy ny angom-baovao nataon’ny