Raha araka ny fantatra dia ny vadin’ilay rangahy mpanao cash point maty voatsindron’antsy teny Ankadindramamy sy ny rafiny ihany no nampaniraka olona namono sy nanafika azy. Tamin'ny 29 aogositra lasa teo raha tsiahivina no nitranga ity fanafihana ity. Maty vokatry ny tsindron’antsy nahazo azy noho izany ilay Rangahy. Raha araka ny fantatra dia niakatra fitsarana tamin'ny 3 janoary teo ny raharaha ka nidoboka am-ponja vonjimaika ny vadin’io rangahy namoy ny ainy io sy ilay rafiny. Fito andro taorian’izay anefa hoy ny fianakavian’ny maty izany hoe : ny 10 janoary teo dia nahazo fahafahana vonjy maika izy roa ka velon-taraina mafy izy ireo. Miantso ny Minisitry ny fitsarana vaovao mba hijery akaiky ity raharaha ity izy ireo.
Nangonin’i Pati
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy