Rainy 56 taona, ka niala hatramin'ny ainy raha hiverenana ny zava-nitranga teny Androndra talata hariva teo. Voalaza fa nokendainy tamin'ny rojo vy ity farany. Nitsoaka ilay zanany lahy taorian’izay, raha toa ka nisamboaravoara kosa ny fokonolona taorian’ny tranga. Nitolo-batana teny amin'ny polisy omaly alina ihany izy, raha ny vaovao farany. Figodogodonan'ny rainy tao ambony rihana no tsy zakan'ity zanany, izay mipetraka ao ambany, no nahatonga azy nanakenda ny rainy tamin'ny rojo vy, ankoatra ny lonilony nisy teo amin'ny fianakaviana, hoy ny fanamarihana. Efa eo am-pelatanan'ny polisy ny raharaha. Endrika maneho ny fahasimban’ny fiarahamonina sy ny soatoavina Malagasy ny tahaka izao. Zavatra heverina ho bitika sy azo alamina kanefa tonga hatrany amin’ny fandatsahana aina. Mila fanavatona ny fiarahamonina Malagasy izay tena miha simba manaraka ny fiainana ara-politika sy toekarena.
Nangonin’i Toky R
Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha
Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,