airtel

Fandriampahalemana

04-juil-2022

Fandriampahalemana

Zava-doza tany Morondava Maty notetitetehina sy nalaina taova izy mianadahy

Sample post image

Zaza mianadahy no maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tany Antsakamirohaka, kaominin'i Bemanonga, distrikan'i Morondava, ny Alarobia lasa teo.

04-juil-2022

Notetitetehin’ireo mpanao ratsy tamin'ny famaky ny tarehin’izy ireo hatrany amin'ny hatony, hoy ny vaovao ankizy vao 17 sy 18 taona monja. Lasan'ilay mpamono olona nandritra izany ny lelan'ilay zazavavy raha ny masony kosa no nanjavona tamin’ilay zazalahy kely. Nanomboka ny atoandro moa no nanjavona izy ireto rehefa avyh nampisotro rano bengy. Tokony ho tamin'ny 9 ora alina kosa vao nahitan’ny fokonolona izy ireo saingy vatana efa tsisy aina sy feno ratra no novantaniny tamin’izany. Ny alakamisy araka izany vao nahalala ny zava-misy ny zandary ary efa miroso amin’ny fanadihadiana. Iraitampo moa izy mianadahy ireto ary karazan’irony disadisam-piaraha-monina irony no antony namonoana azy ireo raha ny fahitan’ny mponina azy. Fikafika hanodinana ny zava-nitranga kosa no antony nakana ny lela sy ny mason’izy ireo hoy hatrany ny fokonolona. Na izany aza ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany no hamaritra izany.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap