airtel

Fandriampahalemana

27-juil-2026

Zaza natao sorona

4 nidoboka am-ponja

Sample post image

Nanamafy ny Fanjakana fa

27-juil-2026

natao sorona RAHANITRARIVONY Sahala Fanekena 14 taona, izay nanjavona tetsy Ampefiloha tetsy Ampefiloha Ambodirano ny 29 jona 2026, ary ny ampitso dia hita faty teny Amboanjobe, Antananarivo Atsimondrano. Araka ny fanadihadiana, olona efatra no voarohirohy amin'ity raharaha ity, dia RAHARINIAINA Antsa Larissa, SOLONIRINA Fabrice, RAZAFIMAHATRATRA Herison Clément, RANDRIANASOLO Edgar, araka ny tatitry ny Minisiteran'ny Fitsarana, araka ny tatita ofisialy. Niaiky ny fandraisany anjara tamin'ity raharaha ity ny sasany tamin'izy ireo. Nandritra ny famotorana no nambaran'izy ireo fa natao sorona ilay zaza. Efa nilaza an’io moa ny Filohan’ny fanavaozana ny Repoblika Kolonely Randrianirina Michael ny herinandro lasa teo. Nandritra ny fisavana kosa dia nahitana ody sy zavatra maro, ary koa kahie mirakitra toromarika momba ny fanaovana sorona, ka ahitana fanamarihana toy ny "mila sorona: akoholahy mena" sy toromarika hafa milaza fotsiny hoe "mila sorona", izay manamafy fa efa nisy fanao sy rindra-damina mifandraika amin'izay voarakitra tao anatin'ireo porofo nogiazana ireo. Natolotra ny Mpitsara mpanao famotorana ny izy 4 mianadahy, ka notanana am-ponja vonjimaika eny amin'ny Fonjaben'i Tsiafahy ireo lehilahy, ary eny amin'ny Fonjaben'Antanimora kosa ny vehivavy. Tsara ny mampahatsiahy fa efa am-polony maro ireo tazonina any am-ponja noho ny raharaha fanjavonana sy vono olona. Isan’ny nisongadina ity raharaha Sahala ity izay 4 izany no nidoboka. Olona 4 ihany koa no nidoboka tamin’ny raharaha Larissa ilay notetitetehana tany Ambositra, izay ny 3 tamin’ireo voarohirohy no voalaza fa efa nanao fihaikena ho nanao ny asa ratsy. Ny tatitra ofisialy nataon’ny Minisitry ny Fitsarana Rtoa Fanirisoa Ernaivo no namoaka fa tafakatra 30 ny dosie eny amin'ny Fitsarana ho an'ny tranga manerana ny Nosy. Ny 12 tamin'ireo no efa niakatra Fitsarana, izay 10 no teto Antananarivo ary 2 tany amin'ny faritany. Mbola misy dosie maherin'ny 20 kosa any amin'ny polisy sy ny zandary ary efa mandeha ny fanadihadiana. Natao fomba fiasa ny fizahana ny razana (autopsie) raha misy faty olona, ary fanaovana fanadihadiana ireo olona lasibatra izay niverina sy velon'aina soa aman-tsara. Indraindray anefa izy ireny mbola verivery saina, ka andrasana ho tony sy tomombana tsara, raha ny fanamarihana. Gadra mandra-pahafaty no miandry ireo voamarina fa tompon'antoka amin'ny fanjavonana sy vono olona. 23 eo no voarohirohy voatazona eny Tsiafahy
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-juil-2026

Sri-lankais iray voasambotra, depiote iray voatonona, 11 any am-ponja

Card image cap