Misy tazana efa mihaodihaody koa amin’izao fotoana izao izany karazana fitateram-bahoaka izany ao 67ha sy Andavamamba ao, raha ny tsikaritra hatramin’ny sabotsy teo. Eo ireo olompirenena izay miferotr’aina mahita izany. Eo koa anefa ireo milaza hoe avelao izy mba hiasa na hivelona. Ankoatran’ireo fiara manokana, ny fitateram-bahoaka toy ny taxibe, ny fiarakaretsaka na «taxi», ny kodiarandroa na «taxi-moto», ny sarety, ny kamiao isan-karazany izany dia mety hiampy an’io koa atsy ho atsy amin’ity tohamboivoy na «embouteillage» efa tsy hifankahitana eto Antananarivo ity. Andrasana moa ny fanazavana avy eo anivon’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra mikasika azy ity.
J. Mirija
An-taonany maro no tsy mivaha ny olan’ny Mpiasan’ny zotran-dalamby FCE
Mijoro manomboka anio alatsinainy 19 may 2025 ny antsoina hoe Gasy MRV
Misy hatrany ireo olona maty vokatry ny loza ateraky ny kodiaran-droa eto amintsika.