airtel

Fifamoivoizana

19-mai-2025

MPANDEHA MOTO TSY NANAO AROLOHA

Nifatratra tamin’ny kamio, namoy ny ainy

Sample post image

Misy hatrany ireo olona maty vokatry ny loza ateraky ny kodiaran-droa eto amintsika.

19-mai-2025

Tovolahy iray vao 21 taona monja no namoy ny ainy teo noho eo teny Mandrimena Malakialina, Fokontany Mahalavolona, Kaominina Andoharanofotsy ny 17 May lasa teo tokony ho tamin’ny 09 ora sy 15 minitra. Lalana mahitsy, anaty tanàna, arabe misy jiro mirehitra mazava no nitrangan’ny loza hoy ny zandary no sady nalalaka ihany koa ny fifamoivoizana. Ny mpamily ilay moto Yamaha Cygnus 3 no lasibatra, izay fantatra fa tsy nanao aroloha no sady tsy ampy akanjo fiarovana . Kilaoty sy kapa mantsy no nanaovany. Mbola nandeha mafy ihany koa izy hoy ny vaovao. Avy any Iavoloha hizotra ho any Tanjombato kosa no lalany. Nandona ny sisiny havian’ny kamiao Mercedes Benz nijanona teo amin'ny sisin-dàlana izay nisy fahasimbana ilay moto. Itsy fiarabe voalohany rahateo tsy nametraka takelaka telozoro izay famantarana mialoha na ny (panneau de présignalisation). Tsy namelona jiro nanondro habe sy jiro manambara fahasahiranana koa ilay fiarabe na ny (feux de gabarit - feux de détresse). Efa natolotra ny fianakaviany moa ny razana ary fantatra fa alevina anio Alatsinainy raha mbola tazonina ao ambalan-tsazy ilay fiarabe.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fotoana nitrangan’ny loza !
 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Na hianavaratra, na hianatsimo, na hiankandrefana na hiantsinanana,

Card image cap
12-juin-2025

Ho tapaka tanteraka mandritra ny adiny iray ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena faha-2 (RNP 2),

Card image cap