Tratra izy io, tsy vita iray andro ny fanadihadiana amin’ny zavatra ngeza tahaka ireny, ary ny mpanao ratsy efa nanomana an’io an-taonany, ka nambarany fa tsy vita vetivety ny fanadihadiana. Iza no “patron”? Izahay ihany koa mba mila mahafantatra an’izany, hoy izy, izay naneho fa any Toamasina ny Minisitry ny fitsarana manaraka akaiky ny raharaha. Izay milaza fa simba fiara vokatr'izao fanapohana izao dia mametraha fitoriana, tokony manatona eny amin'ny toby Ratsimandrava manao fitarainana, hoento ny porofon’ny “mécanicien”, fa tsy azontsika avela amin’izao, manimba fananan’olona, manimba firenena…,” hoy ny SEG Jeneraly Serge Gellé. Efa tena tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe: “sabotage économique” na gafy goavana ara-toekarena goavana ny raharaha fanapohana solika. Zava-doza tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona, miantraika any amin’ny fihariana sy ny fiainana ara-tsosialy, endriky ny tsy fahafehezana ny raharaha stratejika be, famosaviana ny firenena miharihary, kanefa nahoana ny Fanjakana no tsy mandray fanapahan-kevitra momba ny tobin-tsolika mety nahitana izany? Nahoana no tsy voakitikitika sy tsy voaresaka firy ny orinasa mitatitra sy ny tompony izay ahiana ho manova sy manapoka ny solika mialohan’ny hanaterany azy? Aahiana ho mifandray tamin’ny raharaha solika 64000 L nanjavona teo anivon’ny Jirama io. Niharihary loatra ny fahabangana ary sarona, ka mety soloina akora hafa mba ho “citerne” feno ihany no aterina, avy eo simba matetika ny milina, tsy mety foana ny delestazy,… Orinasa mpitatitra solika ana vadina depiote IRD no voatonontonona tamin’ireny ka asa na tahotry ny ho fahafaham-barakan’ny Fanjakana dia nampanginina ny afera, ka na ireo pirina voasambotra aza toa noafahana. Misy anarana olona ambony voatonontona ho atidoha, misy namana olona ambony voatonontonona,… izay tsy voatery ho meloka, saingy mety hitombina ny ahiahy, raha tarafina amin’ny zava-nisy hatrizay. Raha olon’ny mpanohitra na misy rohy aminy, vao fikasana dia efa mety tratra! Tombanana ho ny pirina hatrany no voahendy, fa ny trondro vaventy miriaria. Itony kosa toa mahakely finoana hoe: ho tratra ny tena trondro vaventy. Ahiana ho tahaka tahaka ilay volamena 36kg nanjavona tao amin’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany ihany ka na misy aza ny olona ambony toa tsy tokony ho afa-miala tsy tokony ho afa-maina dia tsy izay ny sary miseho.
Toky R
Kodiaran-droa na moto miisa 6 no nampidirina am-balam-pamonjana na «fourrière»