rehefa niakatra tamin'ny lalan'ny mpandeha an-tongotra tetsy Ambohijatovo, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Hetsika fampanarahan-dalàna eo amin'ny fifamoivoizana izy io, hoy ny fanazavàna. Mitohy hatrany ny hetsika fandaminana ny fifamoivoizana ataon’ny polisim-pirenena eto Antananarivo. Ny 26 may 2025 teo no nipaingoran'ny Polisy avy ao amin'ny «Compagnie Urbaine d'Intervention» na CUI, izany hoe ny sampam-piarovana eto an-drenivohitra, ireo moto miisa 6 ireo ambodiomby tamin’ny fandikan-dalàna. Minia miakatra "trottoir" na lalan’ny mpandeha tongotra izy ireo ka nampidirina ambalam-pamonjàna eny Tsaralalana. Hisy hatrany ny hetsika tampoka tahaka izao ary tsy ny eny Ambohijatovo irery no hanaovana izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija