tokony ho tamin’ny 3 ora folakandro. Aide chauffeur na mpanampin’ny mpamily fiarabe iray no nanao guide ilay mpamiliny ka potsitra tao anelanelan'ny fiara camion anankiroa nandritry ny fanaovana manœuvre.Nikasa hijanona taorianan'ilay kamiao iray ilay Mercedes Benz 1519 iray. Nandritry ny fanaovana créneau anefa dia voatery tao anelanelan'ny fiara iray ilay tovolahy mpanampy ny mpamily izay nanao guide nandritra ilay créneau.Vokany, naratra mafy ilay tovolahy ary nindaosin'ny fahafatesana avy hatrany.Tonga nanao ny fizahana ny zandary sy ny mpitsabo teo an-toerana ka tsy maintsy nogiazana ambalan-tsazy avy hatrany ilay fiara. Ilay mpamily vao 22 taona kosa notanana hatao famotorana ary hatolotra anio Alakamisy 30 Janoary raha tsy misy ny fiovana.
Pati
Legende : Nandriaka tahaka izao ny ra teo ambanin’ity fiarabe iray ity !
Raikitra ny fanapahan-dalana nanomboka omaly ho an’ny eto Antananarivo renivohitra
Lehilahy iray no namoy ny ainy teo noho eo voahitsaky ny fiaran-dalamby