airtel

Fifamoivoizana

13-janv-2026

Air Madagascar

Mitsikafona hatrany ireo afera maizina...

Sample post image

Nandritra ny fidiran’ny herinandro vaovao

13-janv-2026

dia nipoitra indray ny resaka miafina momba ny Air Madagascar, araka ny fanambarana nataon’i Alain Rabetrano, mpiasa sady mpitarika sendika ao amin’ny orinasa. Tao amin’ny tambajotran-tserasera no nanazavany fa tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanarenana ny famerenana ny “Lignes Sociales”, izay tokony hanome tolotra ho an’ireo faritra mbola mitoka-monina. Ny fiaramanidina DH6 na Twin Otter no heverina fa mety indrindra amin’izany, ary mbola nanana fiaramanidina roa azy 100% ny Air Madagascar, miaraka amin’ny tahiry piesy sy fitaovana fikojakojana ahafahana mampandeha azy indray. Na izany aza, rehefa nitsidika ireo fiaramanidina ireo ny tompon’andraikitra tamin’ny faran’ny herinandro, dia nilaza fa tsy azo ampiasaina intsony izy ireo. Antony: efa namidy avokoa ny piesy sy ny fitaovana ilaina amin’ny fikojakojana, toy ny vérin, ny banc d’essai moteur, ary fitaovana maro hafa. Midika izany, hoy Alain Rabetrano, fa misy fanapotehana ifotony sy fivarotana an-tsokosoko ny fananan’i Air Madagascar. Nanamafy izy fa tsy tokony ho andraikitry ny Madagascar Airlines ny mivarotra ny fananan’i Air Madagascar, satria mpanofa fotsiny ny Madagascar Airlines. Tsy mbola vita ara-dalàna akory ny famindrana “cession d’actifs” sy “fonds de commerce”, ary na ny famindrana mpiasa aza dia mbola miantona. Raha mitohy izao dia mety ho foana tanteraka ny fananan’i Air Madagascar. Nampatsiahiviny ihany koa ny fanontaniana lehibe: iza no manome alalana amin’izao fivarotana fananana izao? ary aiza no nankany ny vola azo avy amin’izany? Tokony ho voatahiry ao amin’ny “compte séquestre” an’ny Air Madagascar ny vola rehetra, mba hanohanana ny fanarenana. Tafiditra ao anatin’izany: Ny « dividendes » avy amin’ireo filiales (MGH, Tsaradia, Sofitrans, Amadeus) izay tokony ho azo isan-taona; Ny « location gérance » ataon’ny Madagascar Airlines, mitentina 500 000 USD isan-taona, miaraka amin’ny zana-bola; Ny vola azo avy amin’ny fivarotana fitaovana rehetra, na fiaramanidina, na piesy, na trano, na fananana hafa. Raha misy “cession d’actifs” na “fonds de commerce”, dia tsy maimaim-poana izany fa misy vidiny mazava, hoy hatrany Alain Rabetrano.
AFERA MARO...
Noho izany, nisy ny antso miantefa amin'ny mpitantana ny firenena hijery manokana ireo zavatra voalaza ireo. Narahin'ny fanamarihana fa omaly 12 janoary 2026 no kasaina hanaovana famindrana ny fanalahidy hamindràna ny Siège Sociale Air Madagascar 31 AV de l'Indépendance amin'ny CNAPS. Inona hoy ny fanairana no manakana ny Fanjakàna tsy hampiatona an'io koa? Tsy aleo ve mazava sy madio mangarahara daholo ny zavatra rehetra vao tena miroso amin'izany? Niantona ofisialy moa ny famindrana ny mpiasan’ny Air Madagascar ho ao amin’ny Madagascar Airlines raha ny vaovao omaly. Miharihary sy mitsikafona hatrany mazava ho azy ireo fitantanana maloto nanaovana tantely afa-drakotra ny Air Madagascar. Izy ity izay novonoina tao anatin'ny Fitondrana Rajoelina. Nolazaina fa bokan-trosa hatrany amin'ny 80 tapitrisa dolara, kinanjo ny Madagascar Airlines izay nasolo azy tao anatin'ny tsy fangaraharana volana maromaro dia bokan-trosa 70 tapitrisa dolara,... Betsaka ireo afera mety mifandraika na mifanohy, toy ny fivoahana dosie ny oktobra 2021 fa nisy ny raharaha fikasana na fivarotana ireo Twin Otter miisa 3 an'ny Air Madagascar izay 1,5 tapitrisa dolara ny iray, ary nasaina narotsaka tamin'ny kaontin'i Tinoka Roberto, Minisitry ny fitaterana tamin’izany. Tamin'io andron'io Minisitra io ihany koa no nilazana fa namboarina ireo Airbus 2 ary afaka 4 volana dia hiasa, saingy namidy tamin'ny kilao 2 tapitrisa dolara no niafarany. Mbola betsaka ireo raharaha mikasika ny Air Madagascar avy niampita tamin'ny Madagascar Airlines; ny fampiasana ny volan'ny CNaPS rehefa notapahana ny fiarahana miombon'antoka stratejika tamin'ny Air Austral izay toa ny volantsika ihany no nanajana antsika,... Taty aoriana fony i Valéry Ramonjavelo no Minisitry ny fitaterana, na efa nolazaina fa maty sy ambany fitantanan'ny Fitsarana aza ny Air Madagascar dia mbola isan'ny natao fitaovana tamin'ny afera Boeing 777 nalefa tany Iran,...
Toky R
 

Dans la même rubrique