airtel

Fifamoivoizana

21-févr-2025

ALAKAMISY FENOARIVO

Moto nisongona nefa tsy nitandrina, tapaka ny tongotr’ilay mpamily

Sample post image

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny amin’ny RN1A PK 1 - akaikin'ny CEG Ambohimasina,

21-févr-2025

Fokontany Ambohimasina, Kaominina ambanivohitr’ Alakamisy Fenoarivo afak’omaly Alarobia 19 Febroary tokony ho tamin’ny 04 ora. Moto scooter marika BWS notaingenan'olon-tokana no nisongona kamiao lehibe iray nefa nisy fiara Peugeot iray nifanena tamin'izy ireo. Vokatr’ilay fisongonana maika loatra io dia nikasoka tamin'ilay fitaratra fijerena ny any aoriana ankavian'ilay Peugeot ny familian'ilay Scooter. Lavo tamin'ny arabe vokatr’izany ity farany tara ka potika tanteraka ny tapany alohan'ilay kodiaran-droa.Tapaka vokatr'izany koa ny tongotr'ilay mpitondra moto. Nandriaka ny ra. Nentina namonjy hopitaly haingana ilay mpamily vokatr’izany.Tsy nisy fahasimbana kosa ilay kamiao raha nahitana fahasimbana kely ilay fiara Peugeot.
Pati
Legende : Mbola manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly ny mpamily ity moto scooter tra-doza ity !
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Kodiaran-droa na moto miisa 6 no nampidirina am-balam-pamonjana na «fourrière»

Card image cap