ny sabotsy 8 aprily tokonyy ho tamin’ny 1ora30 tolakandro.. Teratany vahiny iray sy Malagasy iray no tao anatiny. Ny tompon’ny fiaramanidina sy ny mpanamory ireo voalaza fa tao anatiny ireo. Tsy nisy ny aina nafoy na naratra satria avotra sy tafapetraka teny an-tanimbary. Nanao sidina andrana na “simulation” tany amin’ny habakabak’i Mahajanga izy io, ary teny am-panidinana no voalaza fa maty ny maotera. Sesilany ny fiaramanidina kely tra-doza na misy olana eny am-panidinana tato ho ato teto Madagasikara. Raha hiverenana mantsy, fiaramanidina kely iray no nianjera tany Andilanatoby Ambatondrazaka ny 23 martsa, ka nahafaty ny mpanamory iray vao erotrerony, ary herinandro taorian’io dia nisy fiaramanidina kely saika tra-doza ihany koa tany Taolagnaro. Teo aloha teo, re fa nisy ny fepetra noraisina mikasika ny tsy fahafahan’ny fiaramanidina kojakojaina ao amin’ny orinasa iray mba tsy ho afaka hisidina aloha fa asa na efa nivaha ny olana na tsia?
Toky R
Nivadika ny fiaran-dalamby Fianarantsoa Côte Est, omaly Alarobia 20 Septambra tokony ho tamin’ny 10 ora maraina.