airtel

Fifamoivoizana

06-mai-2024

AMBOHIDRAPETO

Arahi-maso avokoa ny lalana rehetra

Sample post image

Efa amam-bolana izao no mitodika amin’ny fanavaozana sy fanamboarana ireo foto-drafitrasa misy

06-mai-2024

ao aminy ny kaominina Ambohidrapeto, distrikan’Atsimondrano tarihin’ny Ben’ny tanana Mihary Andriantsilavo. Lohalaharana amin’ireny ny lalana izay asiany fanaraha-maso avokoa ankehitriny mba hahafahan’ny vahoaka sy ny vokatra ao aminy mifamezivezy. Mbola tantsaha mpamokatra avokoa mantsy ny 80%-n’ireo mponina ao amin’ny kaominina ity ka ankoatra ny fambolem-bary dia anisan’ny mampahalaza azy ireo ny famokarana ireo karazama legioma maro samihafa ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro. Fokontany maro no notetezin’ity Ben’ny tanana ity sy ny ekipany araka izany ny faran’ny herinandro teo. Ho an’ny lalana midina miazo ny orinasa afaka haba Macotex miazo an’Antsahamasina kosa dia fantatra fa efa mandeha ny asa fanarenana amin’izao , antony nisian’ny fahatapahan-dalana mihitsy teo aloha teo.
Pati
Legende : Ny Ben’ny tanana sy ny ekipany mijery ireo lalana hasiam-panamboarana !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Fetin’ny Pentekosta hieren-doza, io no tanjon’ny antokon-draharaha misahana ny

Card image cap