ny vatokely sy ny fasika…..Mpianaka avy nameno ny fitoeran-tsoliky ny moto-any omaly teny Ambohitrarahaba no nisosa tampoka. Naratra vokatr’izany izy mianaka raha nirehitra kosa ilay kodiaran-droa. Ny tena nampalahelo tamin’ity tranga ity dia tsy mba nisy namonjy izy mianaka na dia olona iray aza. Ohatra ny nijerijery fotsiny ny ankamaroan’ireo olona nahita, izay tsy fantatra intsony na noho ny tahotra na noho ny antony hafa. Lasa hita taratra eny anivon’ny fiaraha-monina mihitsy vokatr’izany ny tsy fisian’ilay fifanampiana intsony eo amin’ny samy Malagasy. Noho ny hasarotan’ny fiainana avokoa no mahatonga izany ka manefy ny sain’ny sasany hanjary hanana ilay toe-tsaina ory hava-manana ka zarany aza voa ny sasany mba tsy hanana mitovy aminy ihany koa.
Pati
Nivadika ny fiaran-dalamby Fianarantsoa Côte Est, omaly Alarobia 20 Septambra tokony ho tamin’ny 10 ora maraina.