airtel

Fifamoivoizana

27-oct-2025

Ampahan-dalana Manolobony – Ambohimandry

Amboarina na dia tsy nisy CIAD aza

Sample post image

Tapaka tanteraka ny lalana mampitohy

27-oct-2025

ny kaominina ambanivohitr'i Manolobony sy Ambohimandry ka nampitaraina fatratra ireo vahoaka any an-toerana. Efa nampidirinay tao anatin’ny teti-bola CIAD taona 2024 ny fanamboarana azy io saingy tsy nisy fandraisana andraikitra nataon’ny lehiben’ny distrikan'Arivonimamo hoy ny depiote Rajerison Antoine. Noho ny valifaty politika no antony hoy izy ka very ilay vola anjara fampandrosoana ho an'ny distrikan' Arivonnimamo raha ny valin'ny fangatahana nataonay tamin'ny Ministeran'ny vola tamin'izany. Na izany aza, tsy navelanay ho latsaka an-katerena ny vahoaka. Nifanome tanana ity solombavambahoaka ity sy ny kaominina Ambohimandry ary ny fokonolona noho izany ka namboarina vonjimaika ilay lalana mba ho azo ampiasaina mandritra ny fotoam-pahavaratra. Fanamby amin’ny taona ho avy 2026 ny hanaovana io lalana io ho tara iray manontolo mba ho maharitra sy tsara kalitao.
Pati
Légende : Efa mandeha tahaka izao ny asa fanamboarana !

 

Dans la même rubrique

09-févr-2026

Nataon’ny depiote Todisoa mpanao

Card image cap