airtel

Fifamoivoizana

24-août-2026

Teknisianin'ny

Jenia Miaramila 31 efa amperin'asa,

Sample post image

30 hofanin'ny SAMCRETE

24-août-2026

Manomboka miverina amin'ny heriny ny Jenia Miaramila ao Manjakandrina. Efa amperin'asa amin'ny fanarenana ny lalam-pirenena RN1 bis ny olony. Miaramila miisa 31 izy ireo no manao fampiharana amin'io lalam-pirenana io amin'ny fampiasana ireo fitaovana fampiasa amin'ny asa vaventy sy fanamboaran-dalana norantovina nandritra ny fihofanana narahin'izy ireo tao amin'ilay orinasa ejipsiana SAMCRETE, mpisehatra amin'ny fanamboarana ny lalambe mikodana. Tombanana haharitra fito volana eo ny asa fanarenana ny RN1 bis, aorian'izay dia hanamboatra ny lalam-pirenana RNT14 mampifandray Distrika telo dia Ifanadiana - Ikongo mitohy hatrany Vohipeno indray ny Jenia Miaramila araka ny fampahafantarana nataon'ny Mpanolotsaina avo ny Fanavaozana ny Repoblika, Kolonely Gervais Andriamiarisoa raha tonga tao Ikongo niaraka tamin'ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka Dr Managna Monira, nisantatra ofisialy ny fampiasana ny lay misy ody moka hiadiana amin'ny aretina tazomoka, ny 22 Aogositra lasa teo. Efa andalam-pihofanana ihany koa izao ny andiany faharoa ahitana miaramila 30 avy amin'ny Jenia. Miantomboka amin'ny fianarana ny vinan'asa ho tanterahana ny fihofanana, mitohy amin'ny famantarana ny mety ho vokatr'izany eo amin'ny tontolo iainana, arahan'ny fampiharana amin'ny fitsirihana sy fandrefesana ny tany iasana ary familiana fiara vaventy fanamboaran-dalana sy fianarana mikojakoja fitaovana sy fiara vaventy. Manao fampiharana amin'ny fampiasana fitaovam-panamboarana rafitra simenitra ihany koa izy ireo. Fihofanana izay vokatry ny fifanaraham-piaraha-miasa matotra eo amin'ny Tafika Malagasy sy SAMCRETE.
Jean D.
Manao fanarenana ny RN1 bis ny Jenia Miaramila
 

Dans la même rubrique

21-août-2026

Anisan’ny vaindohan-draharahan’ny

Card image cap