Mitombo ny tranga lozam-pifamoivoizana sy ny voka-dratsy aterany. Manaporofo izany ny tarehimarika nanomboka ny volana Janoary ka hatramin’ny 15 oktobra 2026, nahatratra 681 ny lozam-pifamoivoizana voarakitra, ka nisy 265 ny isan’ny olona namoy ny ainy ary 1.562 ny isan’ny olona naratra. Araka ny antontanisa hatrany dia mifandray amin’ny fitondran-tenan’ny mpamily sy ny mpampiasa lalana ny 80,76%-n’ireo lozam-pifamoivoizana izay nitranga ireo. Nivory maika teny amin’ny Foibe-toeran’ny Ivotoerana Fitsarana Fiarakodia Alarobia, ny Alatsinainy 19 oktobra 2026 teo, ny « Task Force », nanamafy ny paikady sy ny fepetra horaisina. Iray volana izao no nijoroan’ny « Task Force », araka ny tapaka tamin'ny Filankevitry ny Minisitra. Napetraka ny "Plan d'urgence" ary nohavaozina sy nohamafisina mba hifanaraka amin’ny zava-misy eny an-kianja. Nofaritana ireo paikady azo tanterahina ao anatin’ny fohy ezaka hampihenana ny loza sy hiarovana ny ain’ny mpampiasa lalana. Anisan’ireo fepetra sy asa hotanterahana ny fanamafisana ny fanentanana sy ny fampahafantarana ny mpampiasa lalana momba ny Aro Loza amin’ny Fifamoivoizana, fampiharana ny Lalàna momba ny « Code de la route » sy ny Didim-panjakana mamaritra ny tsy maintsy hanànana taratasy fahazoan-dalana mamily fiarakodia ho an’ireo mpitondra fiara misy motera. Tsy safidy ny fiarovana ny aina, fa andraikitra tsy azo ialana, ary tsy maintsy miova ny fitondran-tena eny an-dalana, Tsy maintsy hajaina ny lalàna.
Nangonin'i Jean D.
Loza namoizana ain'olona efa-mianaka tetsy Andranotapahana