mpitondra moto 4 tsy manana permis
Mpamily fiarakodia iray mamo am-perin’asa, mpitondra moto 4 tsy manana permis nefa mandehandeha sy mitondra olona. Ireo no vokatry hetsika ho enti-miady amin’ny lozam-pifamoivoizana nataon'ny Polisim-pirenena ny alin’ny Alatsinainy 19 Oktobra teo teny amin’ny faritry 67 ha teny. Ireo Polisy avy ao amin'ny Kaomisaria Foibe sy ny Brigade des Accidents de la Circulation (BAC) Tsaralalàna no nanatanteraka izany. Niara-dalana tamin'izany koa ny hetsika fampandriana fahalemana tamin'ny fisafoana alina, izay natao teny amin’ireo elakelan-trano sy ny tsena, ho fanamafisana ny fandriam-pahalemana. Mbola hitohy hatrany ny hetsika. Fantatra mantsy fa diso manjaka loatra ireo tsy mpanara-dalana amin’ny alina nefa milalao aina ny ankamaroany. Nanarina sy nomena ny sazy sahaza izy 5 tratra ireo hoy ny loharanom-baovao azo.
Nangonin’i Pati
Legende : Arahina fitiliana ny tahan’ny alikaola amin’ireo mpamily ny fisavana tahaka izao !